kolontsaina

Rovan’Ambohidratrimo Hatsaraina ka antsoina ireo mpahay tantara


  • Talata 08 Desambra 2020

Miroso amin` ny fampiroboroboana ny fizahantany isika eto Madagasikara amin` izao.

 

 

 

 Maro ireo toerana manan-tantara eto Madagasikara mahaliana ny maro na avy eto an-toerana. Isan’ny toerana tsara, ny rovan’Ambohidratrimo isika. Maro ny vahiny no tonga mitsidika ireny. Mazana anefa dia tsy ampy ny fikolokoloana ireo vakoka malagasy mbola mijoro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa hanarenana ny vakoka eto Madagasikara ny Rova Ambohidratrimo, izay isan’ireo Rova telo lehibe eto Antananarivo, raha ny nambaran’Atoa Rakotondrandria Gastar, filohan’ny ONG Ecodev, sy ao anatin’ny kaomity fanareranana ny Rovan’Ambohidratrimo. Manan-danja lehibe amin’ny lafiny ara-tantara ity Rova ity raha tsy hilaza fotsiny ny hoe tao no nipetraka ny vady faha-12 an’Andrianampoinimerina, izay niteraka an-dRadama voalohany. « Harenan’izao tontolo izao io Rova io, mpiray aina tsy afa-miala amin’ny Rova Manjakamiadana sy ny Rovan’Ambohimanga » hoy hatrany ny fanazavana. Tsy maintsy hatao manara-penitra tanteraka ny fanarenana azy, ka ho antsoina avokoa ireo mpahay tantara, ireo zanaka am-pielezana an’Ambohidratrimo Marovatana, mba hijery akaiky izany. Harem-be ny Rova ka tsy maintsy harenina, ary hiara hisalahy amin’izany ny fitondram-panjakana sy ny kômity fanarenana ny rovan’Ambohidratrimo.

 

 Lapa Andafiavaratra, 11 septambra 1976; Rovan` Antananarivo, 06 novambra 1995; Rovan` Ambohidratrimo, 26 aogositra 2015- 18 aogositra 2020; Rovan` Ambohimalazabe, 10 janoary 2017. Tsangambato eto an--kibon` Imerina ireo montsan` ny afo ireo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT