kolontsaina

Rovan`i Manjakamiadana “Hohajaina ny fe-potoana hamitana ny asa ”


  • Alatsinainy 13 Janoary 2020

“Tsy maintsy ho vita mialoha ny 26 jona 2020 ny rovan`i Manjakamiadana.

 

 

 

Fanamby efa napetraka ny hamerenana amin`ny endriny fahiny ity vakoka reharehantsika ity”, hoy ny  filoha Rajoelina nandritra ny lahateniny tamin`ny 11 aprily 2019. Nijery ny fizotran`ny asa moa ny minisiteran`ny serasera sy ny kolontsaina ny sabotsy lasa teo. Ho tratra ny fe-potoana hamitana ny lapan`i Manjakamiadana. Efa ao anatin`ny famaranana ny asa ny orinasa misahana fanarenana, hoy i Lalatiana Rakotondrazafy Andriantongarivo. Nasongadin`ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina tamin`izany fa hajaina araka ny fepetra napetraky ny komity siantifika ny fanatanterahana ny asa. Manara-maso ny fanamboarana taotrano, eo ihany koa ny fanamafisana ny fepetra momba ny aroloza. Reharehan`i Madagasikara iray manontolo tokoa ny rovan`i Manjakamiadana ary ahafantarana antsika maneran-tany. Nihaona manokana tamin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina tamin’io sabotsy ireo olona mpiambina ny rova izay miisa 6 moa. Fantatra fa tsy nandray karama izy ireo nanomboka tamin’ny 2017, nomena manontolo ny karama tsy voaray hatramin’izay ary nambara ihany koa fa horaisina mpiasam-panjakana ary ampidirina ho anisan’ny mpiasa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny kolontsaina izy ireo. Anisan’ny tanjon’ny fitondrana izay mijoro ankehitriny moa ny fitokanana ity rova ity amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ka hovitaina mialoha izay ity fotodrafitrasa ity. Voalaza moa fa notazomina avokoa ny endri- panorenana na “architecture” amin’izao fanavaozana sy fanarenana ny rova sy ny lapan’i Manjakamiadana. Ny fijerena baolina eo Mahamasina sy ny rova no ilofosan’ny fitondrana hovitaina mialoha ny 26 jona ho avy izao.

 

 

 

Marigny A. sy Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT