kolontsaina

Rolland Raelison Hankalaza ny faha-80 taonany eto Madagasikara


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Mandalo eto an-tanindrazana indray i Rolland Raelison ankehitriny ka hankalaza ny tsingerin-taona faha-80 nahaterahany amin’ity 2018 ity izay mifanandrify ihany koa amin’ny faha-60 taona nanaovany rindrakira voalohany teto Antananarivo.

 

Ho fanomezam-boninahitra ireo fahasoavana ireo dia hisy ny Rindrakira tokana miavaka hiarahany miaka-tsehatra indray amin’i Hanitra sy Faniry zafikeliny ary ny tarika Ny Angolan’Imerina ny tolakadron’ny alahady 21 oktobra 2018 ao amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny sekoly Sainte Famille Mahamasina. I Hanitra dia marihana fa  mpiaraka aminy any La Réunion izay efa ela no niara-nihira taminy fa nihira voalohany ny “Vakana sarobidy” sy “Nankaiza re” niaraka tamin’i Gabhy sy Bera. I Faniry mazava loatra fa mamelona indray ireo hiran’ny dadabeny ankehitriny ary ny tarika Angolan’Imerina dia miaraka matetika aminy eto Antananarivo Faniry zafikelin’i Rolland Raelison, efa miaina tanteraka ny hiran’ny dadabeny. Ny Angolan’Imerina indray, miaraka matetika amin’i Rolland Raelison eto Antananarivo ary mihira foana ireo sanganasan’i Rolland Raelison mandavantaona. Hanampy an-dRolland Raelison eo amin’ny fitendrena  amin’io fotoana io  i Michel mpitendry tao amin’ny Kintana3 sy ireo mpitendry hafa satria hitsoka saxophone koa i Rolland Raelison amin’io.

Sanganasa anisan’ny ho re indray ao amin’ny Sainte Famille ireo hira tsy afaka am-bavan’ny mpankafy toy ny “Sangisangy ve”; “Ekeko satria”; “Hamerina ny anaranao”; “Mpividy tavoahangy”; “ Handao anao”; “Anilanao”; “Tsy mba nandao”; “Inay aho”; “ Valse d amour”; sns…

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT