Rock’n’roll

Nodimandry i Balafomanga


  • Zoma 09 Febroary 2024

Misaona indray ny tontolon’ny mozika malagasy satria dia nodimandry

tampoka omaly alakamisy 8 febroary 2024 i Andry Balafomanga na Andry Rakotozandry, izay nanangana ny tarika Balafomanga. Azo lazaina ho mpanakanto nivoy mozika sy dihy Rock’n’roll voalohany teto Madagasikara nandritry ny taona maro izy fahavelony. Nizara sy nampianatra "danse de salon" ihany koa. Miomana hankalaza ny faha 40 taonan'ny tarika Balafomanga ry Andry Rakotozandry no izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Isan’ny hira nahafantarana azy ary mbola nisy nanakoako tamin’ireny fetin’ny faran’ny taona ireny ry «Inona no jerijerena?», «Jono botry», « Fanafodiko». Ny 3 febroary teo no nahitana azy mbola nanafana sehatra farany ary dia maro no tsy nino fa lasa ity mpanakanto nametraka teo amin’ny tontolon’ny hira sy mozika malagasy ity, 5 andro taty aoriana. Mirary fiononana feno ho an’ireo akaiky azy rehetra sy ny fianakaviany moa ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
Légende : Balafomanga ny 3 febroary teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT