kolontsaina

Rock Malagasy Tena ilaina ny famoronana


  • Zoma 06 Desambra 2019

Olana hatrany ny famoronana na dia betsaka aza ireo manan-talenta hoy ny tarika Ziv mpiangaly ny mozika Rock tetsy amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary.

 

Tokony hifantoka amin’ny famoronana sy ny maha izy azy ny tarika mpanao Rock hanalavitra indrindra ny hala-tahaka ny vahiny. Efa misy ireo mpiangaly ny Rock Malagasy eto an-tanàna no efa manana ny mampiavaka azy manokana ary hirariana mba hitohy ny ezaka ary hipaka amin’ny zandry aty aoriana ny fanomezan-danja ny famoronana. Efa tamin’ny taona 1990 no nisy ny tarika Ziv saingy nozarazarain’ny asa sy ny fianarana izy ireo ka ny zanaka aty aoriana indray no hanohy ny kanto. Ny alahady ho avy izao moa izy ireo no hanatanteraka fampisehoana etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba manomboka amin’ny 3 ora hampahafantatra ny rakikira voalohany misy hira 8. Ho tonga eny an-toerana ny Tarika Kiaka hanafana ny fampisehoana amin’io fotoana io.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT