kolontsaina

Rock Malagasy Hametraka tantara ny tarika Green


  • Alarobia 04 Aogositra 2021

Ho feno 35 taona atsy ho atsy ny tarika Green, izay mpiangaly Rock Malagasy isan’ny nanamarika ny taona 2000 sy ny manodidina azy tany ho any.

 Tsy dia fiverenana na hoe “come back” loatra no tianay hamaritana izao fiaingana vaovao izao, hoy ny mpitan-tsoroka na “manager” an’ny tarika, fa tena hametraka tantara mihitsy satria raha izay taona nodiavina izay dia heverina fa azo ilazana fa mba isan’ireo nanamarika na hoe “legend” an’ny rock Malagasy ihany ry zalahy ireo. Fifaninanana mamelona ny hiran’ny tarika, izay nampitondraina ny lohateny hoe “Cover Green” moa no nanombohana ny fanamarihana izany 1 aogositra teo, hoy hatrany ny fanazavana. Nivoaka mpandresy tamin'izany i Fetratiana Fanomezanjanahary ka notolorana ny loka fahafahana manao ampahana rakikira na “demi album” miaraka amin'ny tarika sy manao rakikira feno na “album complet” irery ao amin'ny Blooky Studio ary miaraka amin’izay ihany koa ny rakitsary na “clip” an'ireo rakikira ireo ao amin'ny MarCom Prod. Ankoatran’ireo moa dia notolorana taratasim-bola 1.000.000 ariary ihany koa ny tovolahy. Nahazo laharana faharoa kosa ny Tarika Laingo ka nomena fahafahana manao hira miisa 3 ao amin'ity toerana fandraisam-peo ity hatrany miaraka amin'ny tarika Green sy manao ilay “demi album” ao azy irery. Rakintsary miisa 3 ao anatin’izany kosa no hataon'ny MarCom Prod ho azy ireo ary notolorana taratasim-bola mitentina 200.000 ariary koa moa ireto mpifaninana nahazo ny laharana faharoa nitondra ny hiran’ny Green tamin’ny endriny hafa ireto.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT