kolontsaina

Rija Ramanantoanina Nanaporofo ny maha goavana azy


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Kintan`ny mozika Malagasy… Tsy fandokafana fotsiny fa tena voamarina mihitsy ny anarany, raha notarafina tamin`ny seho nataon`i Rija Ramanantoanina omaly alahady teo teny amin`ny lapan`ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Tena tsy fahita loatra ary amin`ny lafiny maromaro mihitsy io.

 

 Manana ny toerany eo amin`ny tsenan`ny mozika Malagasy tokoa ny tenany ary nasehony tokoa izany nandritra ny fankalazana ny faha-30 taona nihirany. Tsy nisasatra nitodika tamin`ireo mpitendry maherin`ny 50 sy ireo feo lafika manodidina amin`ny 800 isa nanaraka azy teny an-tsehatra ny tenany. Toa nahazo ainga vao ireo sanganasan`i Rija R. izay niova tokoa noho ny faheno hatramin`izay. Araka ny nambarany tao alohan`ity fampisehoana ity dia fotoan-dehibe hanambarana ny fisaorana an’Andriamanitra izay fanaony isan-taona ary izany no anton’ilay antoko mpihira miisa 800 hiaraka hanotrona ny tenany.  Saika niarahana avokoa ireo hira rehetra nalahatra ary nampientana tokoa ny fon`ireo mpijery ihany koa. Izay hira rehetra niainga, nisy tsy nampoizin`ireo mpijery avokoa. Mety ho lafiny fampiaraham-peo io, na fampiarahana zavamaneno. Saika nangatahan`ny mpijery famerenana avokoa ireo hira notontosainy ambony sehatra, izay nampiavaka azy toy ny “Fiainana kely”, “Ray ô”, “Hay ve ka nisy”, “Jamba aho” …  Raha fintinina, “vaky ny fiangonana”, araka ny fomba fitenin`ny tanora ankehitriny satria toa nanakoako hatrany ivelan`ny lapan`ny kolontsaina tetsy Mahamasina ny feon`ireo antoko mpihira izay nasaina hanao feo lafika ary niara-paly ny rehetra sady samy afa-po tamin`ny seho natolotr`i Rija Ramanantoanina sy ny ekipany.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT