kolontsaina

Rija Ramanantoanina « Efa lalana voasoritra ny mozika. »


  • Sabotsy 05 Mey 2018

30 taona niakarana an-tsehatra, nitondrana mozika tsotra kanefa dia nahafahana nitety izao tontolo izao.

 Anisan’ny nanamarika izany i Rija Ramanantoanina ankoatr’ilay feo manga sy miavaka azy manokana. Hiavaka koa anefa ny fankalazana amin’ny fomba manetriketrika etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izay faha-30 taona niseharany izay rahampitso. Tafatafa nifanaovany tamin’ny gazety Tia tanindrazana.

Gazety Tia tanindrazana (TT) : Rija Ramanantoanina, 30 taona niakarana an-tsehatra, inona no hampiavaka ny fankalazana ?

Rija Ramanantoanina (R R) : Isan-taona dia fanaoko ny misaotra an’Andriamanitra any am-piangonana. Amin’ity taona ity izy hatambatro. Izay no anton’ny fiarahana amin’ireo antoko mpihira 800 niara-niasa hatramin’izay. Hiarahantsika ao koa ireo hira nifampitaizana tamin’ny mpakafy toy ny « Hay ve ka nisy », « Fiainana kely » sy « Iza moa ? ». Hira 30 isa no hatao ao anatin’ny 3 ora.

TT : Inona no tena nanamarika anao manokana tao anatin’izay 30 taona izay ?

R R : Ilay mozika tsotra kely nahafahako nitety izao tontolo izao.

TT : Miisa firy eo tokoa moa izao ireo hiranao ?

R R : 100 any ary ny 95%-n’ireo dia ahy avokoa ny tonony sy feony.

TT : Anisan’ny nahafantarana an’i Rija ihany koa ny lafiny fampiaraham-peo. Fampiaraham-peo tamin’iza no tena nahafinaritra anao indrindra ?

R R : Tena tiako daholo na ny niaraka tamin’i Lalatiana na Mbolatiana na Tiana na Bodo, ireo andriambavilanitra nampiara-peo tamiko tsy nisy nanavahako ! Nanamarika ahy manokana kosa ny fampiaraham-peo tamin’i Luc sy Mahery, raha ho an’ny tovolahy. Samy mazana daholo fa ireny koa tena henjana.

TT : Ankoatra ny mozika, ianao koa somary hita matetitetika amin’ny lafiny fankafizana hazakaza-piarakodia izay. Mba tantarao kely hoe ?

R R : Ie ! Mankafy rallye aho fa ny rallie koa dia mankafy ahy. Ny rallye, ny tontolon’ny fanamoriana fiaramanidina ary ny mozika amiko dia toko 3 mahamasa-nahandro. Tanjoko taloha ny hanamory fiaramanidina. Tia milalao fiarakodia koa aho.

TT : Inona no anton’ny safidy farany hiantefa taty amin’ny mozika ?

R R : Eo amin’ny fiainana efa misy lalana voasoritra izay dia tsy afaka misafidy ianao fa ianao indray aza no mieritreritra izay tokony hanaovana azy. Toy izay ny mozika tamiko. Nanjary noteren’ny zava-misy aho ka ohatra hoe nisangisangy izahay sy Mireille tany La Réunion nihira ny « Hay ve ka nisy ! » tamin’ny taona 1986 taorian’ny fifaninanan-kira Top 16 tamin’ny taona 1985 kinanjo nipoaka be tampoka ilay izy.

TT : Mankafy sakafo ve i Rija ?

R R : Rehefa nahandro gasy dia tiako daholo.

TT : Tamin’ireo hiranao marobe ireo, inona no lohateny nanamarika anao indrindra ?

R R : « Avy aminao ». Iny izany no tena hira natokako hoe hisaorana an’Andriamanitra ny taona 1995.

TT : Inona kosa no tena fahatsiarovana ratsy indrindra ?

R R : 10 taona lasa izay, maty ny raiko. Alarobia ny fandevenana, izaho tsy maintsy nihira alakamisy.

TT : Hafatra farany ary !

R R : Sambany izany hoe Rija irery ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena izany. Na ny jiro sy ny fanamafisam-peo aza dia amin’ilay tena raitra. Rahampitso alahady izany no fotoana.

Nanangona : J. Mirija

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT