kolontsaina

Revy Glita Glita Namelona indray ny hira be mpankafy fahiny


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

“Revy Glita,Glita” indray no nanamarika ny seho takarivan’ny Piment Café tetsy Behoririka ny zoma alina lasa teo. Seho niarahana amin’ny mpanakanto telo manana ny talentany eo amin’ny fitendrena gitara sy eo amin’ny sehatry ny hira.

 

 

 

 Mbola Talenta sy Orad Manalina ary vavy tokana tamin’ny seho i Fara Gloum. Nivelatra tamin’ireo karazana hira an-gitara amin’ny gadona samihafa ny seho,  ary samy naneho ny talentany izy telo mianadahy. Hita sy re nandritra ny fampisehoana ny bà gasy, ny hira tsotra … toa an`Ilay “fisarahantsika” an`i Kiki sy Nirina, "Tadidinao ve ?" an'i Railovy, izay nosoratan'ny Pasteur Andriamanjato Richard ary novelonin`izy ireo ihany koa ny sangan`asan` ny tarika Levelo toy ny Fakitera. Nisy ihany koa ireo hira vahiny tsy nampoizina toa an` “I don`t no much” an`i Aaron Neville… Anisan`ny tena trandrahan`izy telo mianadahy ireto moa ny famerenana indray ireo hira be mpankafy sy nanana ny maha izy azy saingy adinodino ka velomin`izy ireo indray.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT