kolontsaina

Résidence Rainilaiarivony etsy Amboditsiry Havadika ho mozea ho azon’ny rehetra tsidihina


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Havadika ho mozea ho azon’ny rehetra tsidihina ny résidence Rainilaiarivony etsy Amboditsiry.

Ho fanomezan-danja ny kolontsaina amin’ny mahavavoka ity ivon-toerana ity sy ho fanomezana fahafahampo ny daholobe no tanjona. Nivoitra io nandritra ilay asa tagnamaro notontosain’ny Ministeran’ny kolontsaina notarihin’ny Minisitra Lalatiana Andriantongarivo teny an-toerana ny sabotsy teo, niaraka tamin’ny Fokontany Amboditsiry sy ny fokonolona ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Hotokanana tsy ho ela araka izany ity ivon-toerana iray ity. Nambaran’ny ministra fa hoharanty sy hampahafantarina ny besinimaro ao anatin’ity tranon’ny praiministra teo aloha Rainilaiarivony ity ny momba azy sy ny tantarany toy ny fiainana niarahany tamin’ireo mpanjaka telovavy nandritra ny fotoana naha-praiministra azy, ny zava-bitany tao anatin’ny taona maro, ny asa nataony….Notsiahivin’ny Minisitry ny kolontsaina moa fa izao indray vao azo notanterahina ity tetikasa ity noho ny fandalovan’ny valan’aretina COVID 19 raha teo ihany koa ny antso tsy maintsy mbola nataon’ny ministera tamin’ireo fianakavian’ity praiministra teo aloha ity.
Pati
Legende : Ny endriky ny tranon’ny praiministra Rainilaiarivony teo aloha sy ny ankehitriny etsy Amboditsiry
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT