kolontsaina

Resaka vako-pirenena Mila arovana ny tononkalo ankehitriny, hoy ny mpikaroka


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Nitombo iray indray ny dokotera momba ny literatiora eto Madagasikara.

 

 

 Tontosa omaly tetsy amin’ny oniversiten’Antananarivo Ankatso ny fanohanana ny voka-pikarohan’ny mpikaroka momba ny literatiora, Tsiky Rakotomavo, mitondra ny lohateny hoe “Ny fanajariana ny tononkalo ankehitriny entin’ny faribolana sandratra”. Fanadinana natao hahazoana ny maripahaizana Doctorat moa izy ity. Araka ny fanazavan’ny tompon’ny asa dia tanjona ny hamoitra fa azo atao tsara ny manome hasina ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny literatiora. Manajary teny sy hevitra ary harem-bakoka, hoy izy, ny tononkalo ankehitriny ary maneho izany ireo vokatry ny mpanoratra mikambana ao amin’ny faribolana sandratra. Toetsaina voizin-dry zareo ny hoe “mamorona fa tsy mamerina”.  Tamin’ny alalan’ny asa soratr’ireto poeta ankehitriny ireto, hoy Tsiky Rakotomavo, dia anisan’ny nahatarafana ny isan’ny soatoavina very amin’izao ka mila averina ny fandeferana sy fahaiza-miaina. Antony mila hiarovana ny tononkalo ankehitriny ihany koa noho izy haren-tsaina afaka mitahiry amin’ny fomba kanto ireo harena hita maso eto amin’ny nosy toy ny raokandro sy ny asa tanana nentin-drazana. Nahazo ny fankasitrahana “Tres honorable” moa ity voka-pikarohana ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT