kolontsaina

Resaka hira mamoafady Lasa adihevitra tsy hifankahitana


  • Alakamisy 08 Oktobra 2020

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety izay nantsoiny ny Tale Jeneraly roa eo anivon’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina Francis Razafiarison miandraikitra ny kolontsaina sy Fetra Rakotondrasaoava Tale Jeneralin’ny serasera mpisolo toerana.

 

Mahakasika ireo hira izay nasaina nesorina eny amin'ny haino sy jery misokatra amin'ny besinimaro (plateforme publique) ny resaka. Hira 3 aloha hatreto no nasaina nasorina nanomboka ny taona 2019 ka hatreto. Nambara fa antso avo, fanentanana, fampahatsiahivana ho amin'ny fandraisan'andraikitry ny mpanakanto amin'ny fifanabeazana ny valan-dresaka izay natao mba tsy hihoatra ny mamoafady amin'ny famoronana ny kanto. Mazava ny voalazan'ny didy aman-dalana mahakasika ny famoahana azy ireny amin'ny daholobe fa voarara tanteraka, hoy i Fetra Rakondrasaoava. Ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina aloha no hany rafitra misy afaka mitondra izay fanitsiana izay dia mandray ny andraikiny izy, tsy voatery hiditra amin'ny fanasaziana henjana ary tsy voatery hikaroka sy hanenjika ny hira tahaka ireny fa izay hita aloha no didiana hanala izany fa ny fifampitaizana no atao. Aoka tsy ny fahalalahana miteny sy mamokatra kanto no hararaotina hihoaram-pefy fa misy ny fitsipika hiaraha-miaina na dia ao anatin'ny fahalalahana aza, hoy ny Tale Jeneraly. Nanazava kosa ny Tale Jeneralin'ny Kolontsaina mahakasika ny resaka foto-pisainana sy ny kolontsaina isam-paritra ary ny foto-pisainana sy kolontsaina iraisan'ny malagasy izay tsy mahazaka ny mamoafady. Tsy voatery izay zakan'ny foto-pisainan'ny firenena iray hafa hoy izy dia zakan'ny foto-pisainana malagasy. Nambara fa misy tokoa hira izay arakaraky ny fieritreretan'ny tsirairay azy no mety hiheverana fa resaka vetaveta na tsia kanefa miresaka voninkazo ohatra (métaphorique), izay no mahasamihafa azy ireo. Ny nandraisana fepetra dia ny hira mivantana na sary mivantana tsy mila fieritreretana fa avy dia tazana sy re fa mahakasika ny mamoafady. Manomboka adihevitra goavana ity toe-javatra ity, indrindra fa ho an’ireo mpanakanto avy any amin’ny faritra. Hita ho tratry ny tsikera momba ireo hatsikana sy fampihomehezana nataony Atoa Françis Turbo, izay maro ny milaza fa misy resaka mamoafady mivantana na ankolaka izany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT