kolontsaina

Resaka fihetsika mamoafady Lasa fianaran-dratsy ho an’ny ankizy madinika


  • Talata 06 Desambra 2022

Marina, rariny ary hitsiny ny fijoroan'ny ministera izay apetraky ny lalàna ho tomponandraikitra mpiahy ny resaka kolontsaina eto amin'ny tany sy ny fanjakana, hoy ny mpikajy ny nentim-paharazana, Josephin Andriandrainarivo,

manoloana ny fampahatsiahivan’izany minisitera izany ny lalana sy fepetra raisina manoloana ny fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka. Sasanangy samy hafa ny fomba amam-panao nentim-paharazana maha malagasy izay aseho na atao amin'ny fotoana voafaritra mazava tsara na koa amin'ny olona natao hifanao izany voafaritra eo anivon'ny fiarahamonina toy ny mpiziva sy ny mpiaotra, ny Antiromba, ny ankavoriana amin'ny fianakaviana mpanjaka sasantsasany, na koa amin'ny fanononana eo amin'ireo foko isam-paritra toy ny vôtolahin-kakazo fiteny rehefa mandrafitra, vody izay mitondra anaran-tanàna maro eto amintsika, toy ny Ambodivoanio, Ambodimadiro; Ambodihasina, ny Vodisaina, sy ny maro, hoy izy. Toy ny sasanangy samy hafa ireny amin'ireo fomba vetaveta maro atobaky ny kolontsaina sy toetsaina vahiny manimba ny fiarahamonina malagasy eto toy ny fanambadian'ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy, ny fanaovana fitadiavam-bola amin'ny endriny maro amin'ny resaka vetaveta. Noho izany ombako miombon-kevitra io fanambaran'ny minisitera misahana ny serasera sy ny kolontsaina io satria tsy azo araraotina na hanamarinana ireo fanao mamoafady entin'ireo hadalam-bahiny velively ny fanehoana ny kolontsaina tamin'iny fahalasanan'i Janga Ratah iny. Fomba efa fanao eny amin'ny fiarahamonina efa hatry ny ela fahagola ireny ka tsy azo afangaro amin'ny fisainana hafa. Samia mandinika amin'ny fo tsy miangatra fa masina ny fiarahamonina malagasy sy ny tany Madagasikara, hoy hatrany ny tenany. Na teo aza nefa izay fampahatsiahivana izay dia tsikaritra ho nirongatra ihany ary zary lasa fitaratry ny tanora hatramin’ny ankizy madinika izany fanehoana fihetsika manakaiky na tena mamoafady mihitsy izay, raha ny hita omaly aloha. Sanatria tsy ho tana intsony tokoa ve ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT