REKO

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny


  • Alakamisy 03 Septambra 2026

kolontsaina no fotoana

Toy ny tamin'ny taon-dasa dia hanatanteraka fampisehoana goavambe indray ny tarika Reko ny datin'ny 20 Septambra ho avy izao. Etsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina no hanaovana izany, karakarain'ny Studio 58. Raha araka ny fampahafantarana nataon'izy ireo tamin'ny mpanao gazety omaly dia hira manodidina ny 40 isa eo ho eo no hohirain'ny tarika Reko mandritra izany. Hizara roa miavaka kosa ny fotoana izay hanomboka amin'ny 03 ora folakandro. Ho an'ny tapany voalohany dia hisy ny guest hiarahana amin'i Jimmy Harrison, Erica Durock....Hisy ihany koa ny zavatra maro tsy hampoizina. Ho an'ny tapany faharoa kosa indray dia hianoka ao anatin'ireo kanto sy tsara indrindra hoatolotry ny tarika ny mpankafy, fampisehoana haharitra ora 3 eo ho eo. Tsiahivina moa fa nofidian'ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar ho ambasadaorony ihany koa i Reko na i Fitia Rasolofoniaina. Haharitra 2 taona ny fiaraha-miasan'izy ireo ka ankoatra ny fampiroboroboana sy fanomezan-danja ny resaka kolontsaina dia hahazo vahana ihany koa ny resaka sosialy. Tanjon'ity orinasam-pifandraisana iray ity ny hanamafy ny fifandraisan'ny samy Malagasy, raha araka ny fanazavan-dRanaivosoa Lalaina.
Pati
Légende : Nitafa tamin'ny mpanao gazety ny mpikarakara omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • Hira tsy lefin'ny taona
  • Alatsinainy 24 Aogositra 2026

Hiaka-tsehatra indray i Nônô

Hijery ny tohiny
FTT