kolontsaina

Razafintseheno Myriam (Zazah) 40 taona namoronana ny hira fiderana


  • Sabotsy 21 Oktobra 2017

Mpamorona ny ampahan-kira maromaro ao amin’ny fihirana FFPM sy ny fihirana fanampiny Razafintseheno Myriam na i Zazah.

Mankalaza ny faha-40 taona namoronany hira fiderana an’Andriamanitra izy ankehitriny. Anisan’izany ny hira malaza ny fanevan’ny faha-150 taona nandefonana an-dRasalama martiora “Ry Andriamanitra Nahary”… Anisan’ireo komity nanavao ny Tiona FFPM farany teo koa i Zazah. Nahafantarana azy ny antoko mpihira Orima sy Tomima ao amin’ny FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana. Namoronany hira betsaka io antoko mpihira manana ny lazany io. Ao rahateo i Zazah sy ny ankohonany no manao ny fanompoana an’Andriamanitra. Zanaka mpitandrina izy ary efa tia mihira fahakeliny. Mandeha ho azy ny famoronan-kira aminy fa tsy mifidy fotoana. Hisy ny fanompoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny asa famoronan-kira notanterahiny  ny alahady 22 oktobra izao amin’ny 2 ora sy sasany ao amin’ny FJKM Ambatolampy Antehiroka Fitiavana. Hitohy ny alahady 29 oktobra ny fankalazana amin’ny alalan’ny antsa an-kira anehoan’ny antoko mpihira sy mpanakanto ny talentan’i Zazah. Anisan’ny hanotrona amin’izany ny Taninketsa Ezraita, ny Valiha Tory Folo, ny Feokanto, Orima sy Tomima, ny feo Dimy, Sarah (Album Music), ny SVM, ny Riantsa, Rakotondramasy ahitana ny Dr Pauline sy Dr Lydia…. Samy haneho ny fahaizany amin’ny fihirana ny hira noforonin’i Zazah avokoa izy ireo. Ny alahady 3 desambra, hisy ny fiarahana mifaly eny Anosiala iarahana amin’ireo mpianakavin’ny finoana rehetra. Ny alahady 17 desambra kosa ny fotoam-pamaranana ka hisy ny fifaninanan-kira izay hizarana loka ho an’ireo mendrika.

 

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT