kolontsaina

Ratrema William “Mbola tena ilaina ny boky, sarobidy ny haren-tsaina entiny”


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Mbola tena ilaina ny boky na inona na inona fivoaran’ny teknolojia ankehitriny noho ny hasarobidin’ny haren-tsaina ao anatiny entiny eo amin’ny asa fanabeazana.

 Io no nambaran’ny mpanabe Ratrema William omaly nandritra ny fanatrehany ilay foaran’ny boky notanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny Plaza Ampefiloha. Toeram-pivarotam-boky maro samihafa no indray mivarotra sy mampiranty ireo karazam-boky mandritra izany izay samy manana ny hanitra ho azy avokoa. Saika hita eny an-toerana avokoa na boky amin’ny fiteny Malagasy na amin’ny fiteny Frantsay na amin’ny fiteny Anglisy indrindra fa ho an’ireo ankizy madinika. Nambaran-dRatrema William moa fa na ho azy ireo ao amin’ny vondro-panabeazana Aceem aza dia mbola manana ny toerany tanteraka ny boky amin’ny fanabeazana ny mpianatra noho izany tsy tokony hataon’ny rehetra ambin-javatra ny famakiana sy ny fandraisana lesona ao anatin’izany.
Pati
Legende : Ny mpanabe Ratrema William tetsy amin’ny foaran’ny boky tetsy Ampefiloha omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT