kolontsaina

Rasoamanitrandrasana Onintsoa Daniella Vonona hitondra avo ny anaram-boninahitr’Atsimondrano


  • Sabotsy 18 Novambra 2017

Tovovavy kely vao 20 taona monja Rasoamanitrandrasana Onintsoa Daniella, monina eny Andoharanofotsy.

  Anisan’ireo mandray anjara amin’ilay fifaninanana Miss île de Madagascar ny tenany, hetsika izay tanterahina nanomboka ny alahady 12 novambra lasa teo. Tafiditra ao  anatin’ny “Top 5” ny tovovavy ankehitriny saingy mbola lavitra ny dia. Hotanterahina rahampitso alahady 19 novambra etsy amin’ny Live hotel Anosy indray mantsy ny fifaninanana manasa-dalana izay handraisan’ireo mpandray anjara nivoaka ho mpandresy hatramin’izay manomboka amin’ny 2 ora folakandro. Anisan’ny manohana akaiky an’i Daniella  amin’izao fanandratana avo ny voninahitr’Atsimondrano sy i Madagasikara izao ny Ben’ny tanàna ao an-toerana Ranirison Hasina. Miantso ireo mponin’Andoharanofotsy mba hifidy ity tovovavy ity amin’ny alalan’ny pejy facebook “ miss et mister île de Madagascar ity Ben’ny tanana iray ity. Toraka izany koa ireo mponin’Atsimondrano iray manontolo. Mendrika ny hotohanana mantsy ny tovovavy tso-piainana sy vonon-kandroso tahaka an’i Daniella, hoy hatrany izy izay marihina fa manaraka ny lalam-piofanana lalàna amina sekoly ambony tsy miankina iray eto an-drenivohitra.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT