Rap gasy

Miha misokatra ny tsena iraisampirenena


  • Talata 29 Oktobra 2024

Raha nanana iraka na «mission» hametraka ny atao hoe Rap gasy teto Madagasikara izahay tany am-boalohany,

hoy ny zokibe teo amin’ny fiangalina mozika Rap, Doubl’enn, dia efa tsy ilaina intsony miteny izany hoe hametraka ny Rap gasy eto amintsika izany amin’izao fotoana izao. Na aiza na aiza eto Madagasikara, hoy izy, izao dia efa misy mpilalao, mpiangaly eo amin’ny tontolon’ny HH iraimanontolo mihitsy. Samy manana ny vanim-potoanany na «génération» koa moa io satria ny «génération» teo aloha efa misy manan-janaka ao anatin’ilay «génération» amin’izao fotoana izao, izany hoe, manana ny tontolo mampiavaka azy manokana na izany andrasany amin’ny tontolon’ny HH izany. Ao anatin’ilay fivelarana ihany izay ary ahitana hoe ny fitambaran’izany rehetra izany no ahafahana milaza fa manana ny toerany sy ny maha izy azy ny tontolon’ny Rap gasy. Lasa efa manana ny Rap manana ny loko maha malagasy azy izany isika izao na eo amin’ny fomba fiteny na eo amin’ny kolontsaina entin’izany, raha toa ka niainga tany amin’ny tany mandroso sy nitety kaontinanta maro ilay Rap no izao tonga eto izao. Azo ambara hoe misy ho antenaina be amin’ny hoavy na dia mbola azo isaina amin’ny rantsan-tanana aza ny mivelona amin’ny Rap sy izany mozika malagasy izany eto amintsika satria efa miha misokatra koa ny tsena iraisampirenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT