Ranomasina fady kisoa, lambamena,…

Zazavavy kely iray no lasany tao Manakara


  • Alarobia 13 Septambra 2023

Mbola maro zavatra fady ny ranomasina any amin’ny faritra. Betsaka anefa ireo mpivahiny miala sasatra no mbola tsy

mahalala izany eny fa na dia ireo milaza ho efa tompo-tany aza. Tovovavy kely iray antsoina hoe : Fy izay vao 12 taona monja no fantatra fa natelin’ny rano tao amin'ny vavan’ny vinan’i Manakara omaly Talata 12 Septambra atoandro. Mirahavavy izy ireo no niaraka nilomano raha araka ny vaovao voaray no sady nidio. Ilay zandriny no saika lasan’ny rano nandritra izany. Rehefa niezaka nanavotra azy anefa ilay zokiny dia ity farany indray no natelin’ny rano ka mbola tsy hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Raha araka ny fanazavana azo avy any an-toerana moa dia tsy maintsy hanaovana fomba ny tranga tahaka izao vao mety ahitam-bahaolana. Manafatra ireo vahiny hiazo iny faritra Manakara sy Farafangana iny araka izany ireo olobe any an-toerana mba samy hitandrina fa maro fomba tsy azo hivazivaziana any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Legende : Be fadifady ny ranomasin’i Manakara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT