kolontsaina

Ranohira Raikitra ny Festival Karitaky


  • Alarobia 06 Septambra 2017

Tonga eo amin’ny andiany faha-9 ny Festival Karitaky amin’ity taona ity, izay hetsika entina indrindra hampisongadinana ny kolontsaina Bara.

 

 Nisokatra omaly talata 5 septambra ao Ranohira, Faritra Ihorombe ny hetsika ary hitohy hatramin’ny sabotsy 9 septambra, arahina lalao ara-panatanjahantena sy ny fampisehoana ara-javakanto, karakarain’ny kaominina sy ny fikambanana FITIBA. Nohamafisina tamin’ny lanonam-panokafana omaly ny tokony hitazonana hatrany ny kolontsian’ny Bara izay mikolokolo ny omby sy ny momba azy rehetra. Izany indrindra no tokony hahasarotiny azy ireo ny amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fitahirizana ny kolontsaina tahaka izao tanterahina izao. Nampahafantarina tamin’io koa ny mpikambana ao amin’ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena malagasy sady solontenan’ny faritra Ihorombe dia ny mpanakanto Matsubara.

Nangonin’i Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT