RAMPAL-TARIKA REBIKA

Feno 60 taona rahampitso, alevina eny Ampanefy anio


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Alevina eny Ampanefy Atsimondrano anio Zoma 16 Aogositra rehefa avy nandrasana tetsy amin’ny

Gymnage couvert Ankorondrano nanomboka omaly Alakamisy ny nofo mangatsiakan-dRakotomalala Jean Pierre Rampal, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Rampal ao amin’ny tarika Rebika na Lepaly . Raha araka ny fantatra dia efa 2 volana ny naharariana Itompokolahy no izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Efa sitrana izy hoy ny zanany raha nanazava ny hirifiry niaretan-dRainy talohan’izao nandaozany ny tany izao. Tsiahivina moa fa teo amin’ny faha-59 taonany Rampal no izao nindaosin’ny fahafatesana izao izay handray ny faha-60 taonany rahampitso Sabotsy 17 Aogositra. Ny 80%-n’ny hiran’ny tarika Rebika dia saika hira noforoniny avokoa toy ny “Tonga ilay malalany….Nampiavaka azy ihany koa ny feo mangany tao anatin’ny tarika izay nandrotsirotsy sy nampihetsi-po ny maro. Nambaran’i Lucien Randrianina izay mpanankato tena akaiky azy moa fa hiezaka izy ireo hanohy ny tsara vitan’Itompokolahy na eo amin’ny lafiny famoronan-kira izany na ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa.
Pati
Legende : Rampal anisan’ireo nampalaza ny tarika Rebika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT