kolontsaina

Ramily mpaka sary Haranty etsy amin’ny Hakanto Contemporary ny sangan’asany


  • Zoma 29 Aprily 2022

Mpaka sary anisan’ny nanana ny lazany teto amintsika Rakotondrazaka Emile na Ramily izay teraka tamin’ny taona 1938 ary namoy ny ainy tamin’ny taona 2017.

Taorian’ny nahazoantsika ny fahaleovantena no tena nahafantarana azy, mpaka sary izay nahay niaraka tamin’ny rehetra ary saika nananany sangan’asa avokoa ny zava-nisy teny anivon’ny fiaraha-monina. Anisan’ny nampiavaka azy ihany koa ny fananany ireo fitaovana tena raitra fahiny toy ny laboratoara….izay haranty sy hita etsy amin’ny Hakanto Contemporary etsy Ankadimbahoaka. Roa taona no nanomanana ny hetsika ka anisan’ny tanjona ny hampahafantarana ny sangan’asany amin’ny daholobe ankoatra ny fanandratana avo ny sangan’azan’ireo mpanankato Malagasy. Tsiahivina moa fa miditra amin’ny andiany fahaefatra ny fampirantiana karakarain’ny Hakanto Contemporary. Roa taona sy tapany izay no nanaovany ity hetsika ity ka efa nahazoany mpitsidika hatrany amin’ny 10.000 isa. Efa mahatratra 60 isa kosa ireo mpanankato notohanany sy nahazo tombontsoa avy amin’izy ireo.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT