kolontsaina

Rakoto Frah Hotsarovana amina seho goavana


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Ny vatan-dRakoto Frah na Philbert Rabezoza no tsy eo intsony fa ny sangan’asany kosa mbola velona tsy lefin’ny ora sy fotoana.

 

 16 taona izao no nahalasanan’ity andrarezin’ny mozika Malagasy ity. Niaiky ny fahaizany mitsoka sodina izao tontolo izao satria tsy nisy tsy voatetin’ity mpanakanto fanta-daza ity ny kaontinanta 5 teto ambonin’ny tany, ary talanjona tamin’ny fahaiza-manaony. Nahatratra 770 ireo hiran-dRakoto Frah. Olona nisokatra sy mamin’ny mpanakanto Malagasy izy. Maro ireo niara-niasa sy nisitraka ny talentany, anisany ry Dadavy, Jaojaoby, Rajery, Samoela, Sareraka, Feo Gasy, Telo Fangady, Eric Manana … Nahitana azy ihany koa ny sehatry ny vakodrazana toy ny Kintan’ny Paradisa, Randria Ernest, Bakomanga, Taratr’i Gasikara, Randrianasolo Raymond,… Ny taona 1960 ny tenany dia nahazo loka voalohany tamina fifaninanana teo amin’ny sehatry ny zava-kanto. Nivoaka sy nandray anjara voalohany tamina fifaninanana iraisam-pirenena momba ny mozika tany Alzeria ny taona 1964 ary nahazo medaly volamena. Noho ny lazany sy ny fanandratany ny zavakanto, dia nanapa-kevitra ny governemanta ny taona 1983 fa hapetaka amin’ny vola malagasy ny sariny mitsoka sodina. Ny 29 septambra 2001 Rakoto Frah no nodimandry, saingy namela mamy tsy hita pesimpesenina. Ho fanamarihana ny nahalasanany dia hisy ny seho antsoina hoe : “Itondrao tsikitsiky” hatao ny 29 septambra, mifanojo amin’ny faha-16 taona nahafatesany hoenti-mahatsiaro sy mampahatsiahy fa tsy mba matroka ny kanto navelany. Eny amin’ny Hotely Carlton Anosy no hanaovana io hetsika io. Hiara-kisalahy amin’izany ny mpanakanto maro toa an’i Samoela, Jaojaoby, Lolo sy ny tariny, Telo Fangady, Lilie, Dama … Mikarakara ny hetsika ny Gasy Events.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT