Raiamandreny ara-drazana

Havelan’ny Fanjakana hiditra etsy Mahamasina ve ?


  • Zoma 16 Febroary 2024

Nanambara ny hiroso amin’ny fanadiovana sy ny famerenan-kasina ary ny fitsofan-drano

ny Tanindrazana, eny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny Antenimieran’ny Raiamandreny sy ny foko eto Madadagasikara na ny ARFM ny 24 Febroary ho avy izao. Hofaranana amin’io fotoana io ihany koa ny tolom-panafahana 47, raha ny nambaran’izy ireo. Ao Mahamasina moa no misy ny vato masina, ka nisafidianana ity toerana ity. Nahitsy moa ireo Raiamandreny ara-drazana nilaza fa tsy resaka fanoherana na fombana ny fitondrana no hijoroan’izy ireo, fa tena ho an’ny Firenena. Teo anatrehan’ny filazana sy fanentanana amin’ny fitokonana faobe, dia nambara izy ireo fa ajanona aloha iny satria tena anaty krizy fahasahiranana ny firenena, ka sao hanampy trotraka an’izay ity firosoana amin’izany. Havelan’ny Fitondram-panjakana hiditra etsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ve izy ireo eo anatrehan’io fikasany io ? Inona no mety hitranga ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT