Raholisoa Lydia

«Ambohimanga rova amin’ny endriny vaovao no tanjona»


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Espace Jeanni Lazaina ny sabotsy teo ny kandida

ho ben’ny tanànan’ny kaominin’ambanivohitr’Ambohimanga Rova atolotry ny fikambanana Mamiko ny taniko Madagasikara, Raholisoa Lydia. Ambohimanga Rova amin’ny endriny vaovao, hoy izy, no tanjona ary vonona aho hanarina ny tanàna. Araka ny fanazavàn’ny solontenan’ireo kandida ho mpanolontsain’ny tanàna ao anatin’ny lisitr’ity kandida ben’ny tanàna ity, James Rasoamaka, dia isan’ireo kaominina miisa 14 mandrafitra ny distrikan’Avaradrano i Ambohimanga Rova. Ahitàna fokontany miisa 22 izy ary kaominina manan-tantara satria nitoeran’ireo mpanjaka merina toa an’Andriambelomasina sy Andrianampoinimerina. Lasa faralahin’Imerina anefa ankehitriny, hoy izy, ity Ambohimanga Rova. Zara fa trano ny lapan’ny tanàna. Marefo ny fandriampahalemana. Kaominina mitahiry vakoka iraisampirenena na «patrimoine mondial de l’Unesco» nefa tsy misy jiro ary mijaly rano. Izay no anton’ilay tanjona hoe mila harenina ny tanàna mba ho Ambohimanga Rova amin’ny endriny vaovao, hoy hatrany ny tenany. Nitsodràno ity kandida ben’ny tanàna ity moa ireo raiamandreny sy andriambe eto Imerina.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT