kolontsaina

Raharaha Omda sy Omaci Mamofona ambadika politika…


  • Zoma 05 Aprily 2019

Manoloana ny zava-mitranga eo amin’ny tontolon’ny zon’ny mpamorona nahatonga mpanakanto maromaro nanao fanambarana tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina

 

 

 

fa tsy tokony hifanitsaka andraikitra amin’ny ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda ny Omaci izay misahana ny tontolon’ny sarimihetsika dia nilaza ny heviny ny tale jeneralin’ity farany, Bon- temps Ramitandrinarivo. Ny lalàna, hoy izy, no nametraka ahy eto ary amin’ny taona 2021 no mifarana ny fe-potoam-piasako. Nanampy izany moa ny mpahay lalàna iray ary nanazava fa vao napetraka ny lalàna 2017-011 ny 26 jolay 2017 dia efa nipetraka ny fanontaniana avy amin’ny Omda sy ny hafa. Efa nisy tamin’izany ny fifampiresahana teo amin’ny Omaci sy ny Omda fony ity farany mbola fiaraha-mitantana na “direction collegial”. Ny “jeux video”, ny “production audiovisuelle” sy ny “photographie” dia nanoso-kevitra hoe aleo tsy ny Omda intsony no mitantana ny volanay fa ny Omaci satria maka vola aminay foana ny Omda saingy tsy misy miverina aminay. Ny avy ao amin’ny sinema sy horonantsary dia tena mpandoa volabe ao amin’ny Omda. Ohatra iray ny hoe 40.000 ariary isam-bolana no alain’ny Omda amin’ireo video club miisa 20.000 eto Madagasikara.  Mankaiza ireo vola ireo ? Izay mahazo avara-patana ao ihany no mba mahazo “droit d’auteur” ho an’ny mpikamban’ny Omaci. Nanaiky ny Omda. Nanaiky koa ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona ary ny HCC. Ankehitriny, hiditra amin’ny fampiharana ve ity raharaha ity ? Ilay vola mety hampidirin’ny Omaci ve no tena tian’izy ireo horaisina ? Ny lalàna mifehy ny tetibola (LFR) tamin’ny 2018 mihitsy no namaritra hoe ireto daholo no vola azon’ny Omaci raisina. Fidiram-bola izay ny sehatra tsy miankina ao amin’ny “sinema”, “jeu video”, “photographie” ihany no mandoa azy, hoy ny fanazavana. Io vola io miaraka amin’ny fanampiana dia mety eo amin’ny 11 miliara ka hatramin’ny 16 miliara fmg isan-taona. Ny lalàna moa, hoy ity mpahay lalàna ity, dia mamaritra fa tsy azo atao ny mandray famatsiana avy any ivelany hamatsiana antoko politika iray. Ny Omaci dia rafitra ambany fahefan’ny minisitra iray manana antoko politika haingana indrindra saingy tsy afaka mamehy ny tale jeneraliny ity minisitera ity noho ilay fe-potoana mbola misy 2 taona. Mamofona ambadika politika, araka izany, ity raharaha ity, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT