kolontsaina

Raharaha komity siantifika « Azo lavina ny fametram-pialana »


  • Alarobia 27 Mey 2020

Manoloana ny vaovao navoakan’ny gazety vahiny, Le Monde, nitondra ny lohateny hoe "Sur les hauteurs d'Antananarivo, le colisée de la discorde" ny 25 mai 2020 teo dia nisy ny fihaonan'ny Filohan'ny Repoblika,

 

 

 Andry Rajoelina sy ny Pr Rafolo Andrianaivoarivony, ny harivan'ny 25 mey 2020, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety, Miary Rasolofoarijaona. Misy milaza aho fa mamoaka vaovao tsy marina. Raha tsy nivoaka io lahatsoratra io dia tsy nisy io fiantsona ny Profesora Rafolo io, hoy izy. Raha lazaina mandainga aho dia ekeko raha miteny i Pr Rafolo fa tsy nametra-pialana. Ny fametraham-pialana mety azo tsy ekena ihany koa mantsy, hoy izy. Ny vahaolana hitako dia manao « conférence de presse » ireo « Universitaire » miisa 4, ireo tsy notendren'ny Présidence sy ny MCC, ao anatin'ity komity siantifika ity ka malalaka ny mpanao gazety mametraka ny fanotaniana rehetra. Tsy misy intsony ny honoho avy eo fa vita io resaka fanorenana ao anaty rova io. Amin'izay koa na tohizana ny asa na harodana ilay izy, hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT