kolontsaina

Raharaha Kianja Masoandro Nametraka fitoriana maro sosona ny TIM


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Nametraka fitoriana teny amin'ny filankevim-panjakàna eny anivon’ny Fitsarana tampony Anosy ny Antoko TIM notarihin’ny Sekretera Jeneraliny Rina Randriamasinoro omaly manoloana ny fananganana “colisée”

 

 

 

 

na Kianja Masoandro eny amin'ny Rovan' Antanananarivo Manjakamiadana. Atoa Marc Ravalomanana amin'ny maha filoha teo aloha azy, ny Solombavambahoaka TIMary ny mpanolotsain’ny tanàna TIM dia samy nametraka fitoriana. Tokony ho nandalo teo anatrehan’ny mpanolotsain’ny tanàna satria eto Antananarivo Renivohitra no nanaovana izany, hoy ny mpanolontsaina monisipaly avy amin’ny TIM. Nambara ihany koa fa eny amin’ny faritra avo ihany koa dia tsy azo hanorenena zavatra goavana toa ireny. Anjaran’ny solombavambahoaka no miezaka manadihadihady rehefa misy tranga miseho sahala amin’ireny, ka nahita fa nisy endrika tsy fanarahan-dalàna sy dingana isan-karazany eo amin’ny fanaovan-draharaha ao anatin’ilay izy. Izay no anton’ny fitoriana mba hanatsaharana ny asa aloha hijerena ny zava-misy sy hanafoanana tanteraka ny fanatanterahana azy. Tsy ny lalàna ihany fa na ny dingana teo amin’ny fanatanterahana no voahitsakitsaka, hoy izy ireo. Nilaza kosa ny mpisolovava fa na ny lalàna velona na ny soatoavina sy ny fomba amam-panao Malagasy manampy azy dia tsy voahaja avokoa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT