kolontsaina

Rah ckiky Nisy nikasa hamono


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

Raha somary natahorana ny ain’i Rah ckiky na Razafimamy Christian mpihira omaly maraina dia re omaly tolakandro fa efa mahatsiaro tena izy ary efa niteny.

 


 

 Ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina izy no tsaboina. Nisy nanafika sy nidaroka tao an-tokantranony izy omaly  alahady fiandohan’ny volana  oktobra tokony ho  tamin'ny 3 ora maraina, ka voatsatoky ny sabatra in-telo ny tenany. Raha araka loharanom-baovao azo dia misy hifandraisana betsaka tamin’ilay hira noforoniny mitondra  ny lohateny hoe : "Vonjeo Soamahamanina", izao fahavoazany izao. Nahazo  fandrahonana mantsy ity mpanakanto iray ity  nandritra ny herinandro maro mba hisintona io hira io na tsy hamoahany izany ho ren’ny vahoaka mihitsy  ka rehefa tsy nanaiky na dia efa  notambazana vola aza izy dia izao nisy nanafika sy namono  izao, hoy ireo akaiky azy. Tsy nisy vola na zavatra nalain'ireo olona nanafika tao an-tranony na izany aza. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT