kolontsaina

RAH CKIKI Nafoiny ho an’ny mahantra ny fanampiana azony


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Raha samy miandrandra fanampiana avokoa ny rehetra ao anatin’izao fihibohana izao dia mifanohitra amin’izay Rah Ckiki, ilay mpihira tsy zoviana amintsika intsony.

 

 

 

 Rehefa nantsoin’ny namany an-telefaonina mba haka ny anjara fanampiana tokony ho azy mantsy ity mpanankato ity dia niteny tamim-pahatsorana fa hafoiny ho an’ireo mahantra ny anjarany ka zarao ho an’ireo tena sahirana. Mikasika ilay tambavy covid organics novokarin’ny IMRA ary hita eto amintsika iadiana amin’ny COVID 19 indray dia niantefa manokana tamin’ny filoham-pirenena izy ny amin’ny tsy tokony hanomezana mora foana izany fanafody izany amin’ireo firenena any ivelany. Tokony hisy sandany izany hoy izy ary tokony ho tsapan’ireo firenen-dehine rehetra, indrindra fa ireo mpanambany ny Malagasy fa aty Madagasikara no misy ny fanalahidy. Nomarihiny manokana moa fa betsaka ireo firenen-dehibe mpanambany an’i Madagasikara saingy tsy notononiny kosa. Tao anatin’ny tambajotran-tseraserany moa Rah Ckiki no naneho ireo heviny ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT