kolontsaina

Rafi-piarahamonina tena Malagasy Mitohy ny fivoizana ny Kianja maitso


  • Zoma 18 Novambra 2022

Rafi-piarahamonina iaraha-miaina any ifotony mba hahafahana miara-miasa, manao teny ierana, fanentanana ho an’ny fampandrosoana ny atao hoe Kianja maitso,

hoy ny mpitarika ny Sakaizan’ny Kianja maitso sady filohan’ny filankevitry ny fampihavanam-pirenena na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Ara-pitondrana, ara-piarahamonina, ara-toekarena dia tafiditra ao anatin’izany avokoa, hoy izy, ary hita izany fa tsara satria ny fihavanana no fototra. Fototra lehibe ho an’ny fanorenana ny firenena izany. Olombelona miasa, mifankatia, mandray andraikitra, manara-dalàna, mifampitsinjo, mifanome tanana no tanjony. Isan’ny asa lehibe iray nankinina tamin’ny CFM sampana Antananarivo nefa efa tapitra moa izao ny fotoam-piasan’ny CFM ary mbola tsy fantatra hoe rahoviana indray vao hitsangana ny birao vaovao. Efa nisy kaominina nanaparitahana an’ilay Kianja maitso sy mampiasa izany nefa. Misy mbola te hahalala bebe kokoa ilay izy ka antony nametrahanay fanontaniana hoe mbola hiandry an’izay ve nefa ity asa fampihavanana? Anjaran’ny malagasy rehetra no mivoy mandrakariva ny fihavanana eo anivon’ny fiarahamonina ka nahatonga tomponandraiki-panjakana toy ny ben’ny tanàna maro, mpitarika fikambanana hoe andao ho tohizana izany sao sanatria ho lo na adino. Misy araka izany ny tan-tsoroka mandrakariva amin’ireo ben’ny tanana efa mampiasa ny Kianja maitso. Eo koa ny fivoizana izany amin’ny sehatra rehetra mba hiverenan’ny rafi-piarahamonina tena malagasy. Tsy mifanohitra amin’ny rafi-pitondrana io fa mifanome tanana aminy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT