Namoaka ny rakikirany fahafolo indray i Samoela, mitondra ny lohateny ”Radion’ambanivolo” izay novokarin’ny tranom-mpamokarana Be Mozika.
Misy hira folo ao anatiny ka valo noforoniny ary ny roa ambiny nindramina. Mibahan-toerana amin’ity vokatra ity ny resaka fitiavana, sosialim-bahoaka, politika raha ny fanazavan’i Samoela Rasolofonirina. Nambarany fa revy misandrahaka no tiana ambara amin`io lohateny io satria matetika ireo olona any ambanivohitra no tena mihaino mozika. Porofon`izany ireny radiom-paritra ireny ary tena manana ireo karazana “repertoire” mivelatra be ry zareo. Ho fanampiny dia karazan-jaridainany ihany ity vokatra ity sady miainga avy amin`ilay revy avy any ambanivohitra, hoy hatrany ny fanazavana. Mpanakanto manana ny maha izy azy tokoa i Samoela ary nampiseho fahavononana hatrany amin`ny fanomezana ny soa sy ny tsara ho an`ny mpankafy azy.
Manome ny tsara indrindra
Tsy nihazakazahana fa natao nanaraka hatrany ny onjan'ny filan'ny mpankafy ny tenany tamin'ny famoahana rakikira satria ny volana jolay 2017 no nanomboka namolavola ity rakikira ity i Samoela sy ny ekipany. Nihidy aman-trano nandritra ny 3 herinandro izy ireo tao Royal Palace Antsirabe ny volana janoary lasa teo tamin`ny fandrindrana ny vokatra. Roa herinandro kosa no nandraisan`ny trano famokarana Be Mozika ny rakikira. Taorian`izay, natao ``mixage`` tany Etazonia ary avy eo nentina tao Frantsa natao ``Mastering``. Raha ny fanazavana dia tamin`ny 28 aprily lasa teo no nivoaka tany ivelany ny vokatra “Radion`ambanivolo”. Nanampy izany koa ny aingam-panahy niboiboika. Fantatra izao fa efa tontosa ary efa mivoaka eny an-tsena sahady ny rakikira. Hisy seho hatolony amin’ny 3 jona ho avy izao ao Antsahamanitra sady ho tokana amin`ity taona ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.