kolontsaina

Radio Fahazavana Nikarakara fifaninana tantara an’onjam-peo


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Misy ny fifaninana mamorona tantara karakarain’ny Radio Fahazavana, onjam-peo ara-pilazantsara izay isan’ny anjara biriky hametrahana amin’ny tokony ho izy ny lentan’ny tantara an’onjam-peo.

 Ny Filohan’ny FJKM dia ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi mihitsy no nanana ny hetaheta hoe : maninona raha mamorona tantara ity radio ity, ka dia nalefa ny fifaninana ka 56 ny tantara voaray, izay mitsara ivelan’ny mpikarakara mihitsy no nitsara azy, dia Ranoë, Eric Ravalison, Saholy Rakotonanahary, izay sangany amin’ny tontolon’ny literatiora. Lohahevitra ilafihan’ny tantara ny « fampandrosoana ny rehetra sy ny olona manontolo », izany hoe ara-batana, ara-tsaina, ary indrindra ny ara-panahy, hoy ny Pr Dimby Rasoavinarivo Talen’ny Radio Fahazavana. Taorian’ny sivana sy ny fitsarana natao, dia tantara 6 no hifaninana farany, ka handeha ao amin’ny Radio Fahazavana manomboka ny 27 novambra-01 desambra, ka homena laharana 1 hatramin’ny 6 ireo tantara ireo, ary hisy ny fisafidianana izany amin’ny alalan’ny hafatra fohy na « sms » amin’ny finday, ka hanome naoty 1 ka hatramin’ny 5 ny mpihaino amin’ny alalan’ny laharana 034 30 898 86 ny mpihaino. Ny 14 desambra tolakandro no hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy amin’ny CEMDLAC Analakely ireo telo voalohany, izay hisitraka lelavola sy havoaka boky ny asa sorany satria matetika levona sy takon’ny mpilalao ao anatin’ny tantara foana ny mpanoratra, hoy i Tsiky Rakotomavo mpandrindra ny fitsarana.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT