kolontsaina

Rabodo mpilalao sarimihetsika “Safelika” Nindaosin’ny fahafatesana


  • Alakamisy 30 Novambra 2017

Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-58 taonany afak’omaly talata 28 novambra Raholialisoa Mamy Hortense, fantatra tamin’ny anarana Rabodo tao amin’ilay horonantsarimihetsika Safelika izay novokarin’ny SCOOP digital.

 Ankoatra ny filalaovany ny sarimihetsika sy ny tantara amin’ny onjampeo dia artista amin’ny  fihirana ihany koa Itompokovavy fony fahavelony tao amin’ny Tarika Mamy Andy Lala. Raha araka ny fantatra dia efa narary mafy nanomboka ny volana janoary lasa teo izy, ary izao nitarika ny fahafatesany izao. Homamiadan’ny atidoha no voalaza fa nahavoa azy. Namela kamboty mianadahy izy dia i Rinah sy Fransky. Ny razana dia hiala ao amin’ny tranony Lot B 75 Cité Akany Sambatra Itaosy, ny sabotsy 2 desambra ho avy izao amin’ny  11h 45mn, ary hoentina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra farany sy ho fampaherezana ny fianakaviana ao amin’ny  Fiangonana METM Cité Itaosy, mialoha ny hametrahana azy ao amin’ny  fasan-drazany Ambohidavenona Ampitatafika. Ho an’ireo tsy afaka moa dia azo atao tsara ny mandefa ireo karazan’adidy ny famangiana amin’ny alalan’ity laharam-pinday ity  034 67 043 05 izay an’ny zanany ihany, misy kaonty M Vola.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT