kolontsaina

Rabejean Miarinarivo “Tsy ampy ny fanabeazana ny momba ny niandohantsika”


  • Alakamisy 10 Novambra 2022

Lasa ambany maso tsy hita toa vatan’orona sy hodian-tsy hita toa ravin-tsofina ankehitriny ny maha malagasy antsika, indrindra,

ny hasin’ny kolontsaina sy ny vakoka malagasy, hoy ny mpanakanto mpiangaly nentin-drazana, Rabejean Miarinarivo. Lasa diso mibahan-toerana be loatra manerana an’I Madagasikara ny kolontsaina vahiny sy ny rivo-baovao avy any ivelany, hoy izy. Lasa mamotika ny tanora sy ireo taniketsan’ny firenena rahampitso. Tafiditra ao anaty firenena an-dalam-pandrosoana na mahantra isika, hoy isika, ka lasa miankin-doha be kokoa amin’ireo firenena mpanam-bola toy ny tandrefana sy ny hafa, hany ka manjaka be eto ny kolontsaina avy any amin-drizareo. Tsy ampy ny famerenana ny fanabeazana ny momba ny niandohantsika dia ilay maha malagasy antsika. Tokony haverina any amin’ireny sekoly ambaratonga fototra ireny mihitsy io ary hanokanana andro manokana. Manaitra ny mpitondra isan’ambaratonga aho eto, indrindra, ny minisiteran’ny kolontsaina, hoy tandroka aron’ny vozona hamerina izay hasin’ny kolontsaina malagasy izay ianareo. Avereno eny amin’ny fokontany dia miakatra any amin’ny kaominina sy ny distrika ny fifaninanana vakodrazana sy ny fifaninanana mifandraika amin’izay kolontsaina malagasy izay ary ny haino aman-jery koa entanina mba hanome lanja kokoa an’izany satria raha Hip hop foana, ohatra, no alefanao ao dia lojika raha ho lasa mpankafy izany hatramin’ny olon-dehibe aza. Toy izany koa izany no tokony hanaovana ilay mozika vokatry ny tanintsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT