kolontsaina

Ra Joce - Tarika Kiaka “Mamay be amin’izao ny fanaovana mozika amin’izao”


  • Alakamisy 15 Aprily 2021

Mamay be izao ny fanaovana mozika eto Madagasikara, hoy ny mpanakanto, mpitendry gitara beso no sady mpamoron-kira

 

 

eo anivon’ny tarika Kiaka, Andrianiaina Jocelyn Ralambo na Ra Joce. Tarika mpiangaly Rock Malagasy tokony hankalaza ny faha 35 taonany tamin’ity taona ity ny tarika, hoy izy, saingy very fihinanana manoloana ny toe-draharaha ny mpanao mozika. Tsy afaka manao fampisehoana mihitsy izahay na dia efa nisy aza ny fanomanana sy tetiandro napetraka. Nihevitra izahay fa hisavasava ny taona 2021 eo amin’ity resaka COVID 19 ity saingy io iaraha-mahita io nefa. Foana ny drafitra noheritreretina rehetra. Tokony mba ho jeren’ny mpitondra ihany izay vahaolana satria be dia be ihany no mamelom-bady aman-janaka amin’izany mozika izany eto amintsika, hoy hatrany izy.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT