Publi techno

FANKALAZANA NY TAOM-BAOVAO SINOA


  • Alakamisy 15 Febroary 2024

Tanora 10 mpianatry ny Confucius no nahazo finday avy amin’ny TECNO

Manohana ny tanora, indrindra eo amin’ny lafiny fanabeazana, ny orinasa TECNO. Nandritra ny fankalazana ny taom-baovao sinoa izay nomarihana ny sabotsy lasa teo, dia nanolotra fanomezana ho an’ireo tanora mpianatry ny Institut Confucius Ankatso ity orinasa ity. Finday avolenta miisa 10 no natolotr’izy ireo tamin’izany. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ara-barotra ao amin’ny TECNO dia efa hatramin’izay no manohana ny hetsika sinoa eto amintsika izy ireo. Ny sehatry ny tanora, indrindra ny fanabeazana izay manosika azy ireo hivelatra ao anatin’ny tontolon’ny teknolojia no tena voizina ao anatin’izay. Raha ny fantatra dia manodidina ny 300 eo izao ny botika TECNO misy manerana ny Nosy, izay mivarotra finday TECNO avokoa, ary efa nihitatra amina kojakoja toy ny « Chargeur », ny « Power bank » , ny « batterie » …. sy ny sisa izay marika TECNO avokoa. Ny mpanjifa eto Madagasikara kosa izay efa mahalala ity marika ity kosa araka ny fantatra dia tsy miala aminy noho ny fahatsapana ny tanjaka sy ny hamafin’ny vokatra ao an-toerana. Nohamafisin’ny tompon’andraikitra ara-barotra ao amin’ny TECNO, andriamatoa Tsilaviniaina Franck, fa ankoatra ny fanabeazana dia manohana ny hetsika ara-kolontsaina ho an’ny tanora koa izy ireo.

Ando R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT