kolontsaina

Profesora Ralison Roger "Tokony hajanona amin’ny maha vakoka azy Anatirova"


  • Alatsinainy 25 Mey 2020

Efa tompon’andraikitra tao anatin'io rova io ny Pr Ralison Roger tamin'ny taona 1974 hatramin'ny taona 1976 ka lehibe lefitry ny sampan-draharaha miandraikitra ny fiarovana ny harem-pirenena,

 

 

 

raha ny fanazavany. Tao anaty rova mihitsy ny toeram-piasanay, anisan’izany Rtoa Randriamandimby Josette,izay lehiben'io sampan-draharaha io, ary zanak'Itompokolahy Joseph Ravoahangy Andrianavalona avy amin'Andriamasinavalona sy Rtoa Andrianambotsimarofy izay taranak'Ambotsimarofy mpanjakan'Antananarivo talohan'ny mpanjaka Andrianampoinimerina, "conservateur" nipetraka tao mihitsy, hoy izy. Taranak'Andrianamboninolona ao Ambohitrombihavana izy. Ny andraikitray ireo dia ny fiarovana ny rova rehetra eran'i Madagasikara izay vakoka malagasy tokony ajanona amin'ny maha vakoka manan-tantara azy ireny araka ny fiarahanay niasa tamin'ny UNESCO izay marihina fa nanome fanampiana hatrany na ara-bola na ara-fiofanana tany ivelany toy ny tenako tany amin'ny Musée de l'homme Paris amin'ny fikajiana azy ireny.Fehiny izany dia izay toerana manan-tantara rehetra dia ajanona na averina amin'ny endriny niandohany. Io fototra trano ao anaty Rova io izay saika nanangan'i Mpanjakavavy Ranavalona faha-3 ny lapany izay miteraka izao tsy fitovian-kevitra izao, dia efa tapaka niaraka tamin'ny UNESCO tamin'ny fotoan'androny fa tokony avela amin'io endriny fototra io ho mariky ny maha vakoka manan-tantara azy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT