kolontsaina

Printsy Ndriana Rabarioelina “Tokony afindran’ny HCC aminay ny fahefana ”


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Misy hatrany Andriandahy, Andriandray, Andriandreny avy ao Avaradrano Zokin'Imerina, Mpandova Fanjakana eto Imerina Enin-toko sy eto Madagasikara, araka ny Hafatr' ireo Razambe Mpanjaka Andriantomara sy ny Mpanjaka Andrianerinerina ary ny Mpanjaka Ralambo,

 

 

hoy ny printsy Ndriana Rabarioelina, raha nanazava ny antony nampatsiahivany ny famindrana Jaka sy fandovam-panjakana natao taminy any amin’ny tambazotran-tserasera. Efa natao ny fanosorona mpanjaka araka ny fomba ara-drazana sy fomban'Andriana tao amin'ny Rova Ambohidrabiby, Hasin'Imerina. Efa nanafatra mialoha ny razambe Mpanjaka Andriandahy tany aloha ben' ny fanjanahantany fa hiverina amin'ny fanjakan' Andriana, Andriandahy, Andriandray, Andriandreny avy ao Avaradrano Zokin'Imerina, izay vao handroso indray i Madagasikara. Ny rafitra repoblikanina nampidirin' ireo mpanjanatany vazaha menasofina nanomboka ny taona 1958 dia nentina namotehana ny soatoavina malagasy, nandrobana ny harem-pirenena ho an' ny vahiny toy ny vazaha, karana, sinoa, arabo, hoy hatrany izy, ary nampahantrana ny 90% ny vahoaka malagasy. Madagasikara dia lasa isan'ny firenena dimy mahantra indrindra eran-tany nanomboka ny tetezamita 2013 ka mandrak’ankehitriny. Ny vahaolana tokana ho an'ny firenena dia ny Fijoroan'ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakan'Andriana, araka ny hafatr’ireo Razambe Mpanjaka nanorina ny Fanjakana teto Madagasikara. Fanjakana izay mankatoa ilay mpahary ny lanitra sy ny tany, manaja ny soatoavina malagasy ary miaro ny vahoaka malagasy rehetra sy ny Tanindrazana. Marihina fa nisy fahazavana lehibe avy any an-danitra izay nazava folo avo heny noho ny fahazavan'ny masoandro niposaka avy any atsinanana no nipoitra sy nidina teo amin' Rovan'Ambohidrabiby, hasin'Imerina, izay mariky ny fanatrehana sy fankatovan'ilay mpahary ny lanitra sy ny tany tamin' io fotoana fanosorona mpanjaka ahy io, hoy izy. Ny Fifidianana rehetra teto Madagasikara nanomboka ny taona 1958 ka mandraka ankehitriny dia feno hosoka sy feno halabato ary tsy marina avokoa, indrindra, ny Fifidianana solombavambahoaka sy fifidianana filoham-pirenena 2018, izay nahitàna 1.261.512 “doublons” tamin'ny karapanondro sy 119.629 “doublons” ary kara-panondro hosoka an'arivo tamin'ny 40%n’ny Fokontany manerana ny Nosy. Noho izany, tsy marina ny voka-pifidianana filoham-pirenena 2018. Ny vahaolana fohy ezaka arosonay dia mamindra fahefana aty aminay lehiben'ny Fiombonamben'ny Ampanjaka eto Madagasikara ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC), hoy hatrany izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT