kolontsaina

Poety rebely Namoaka ny «Anindaotse»


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Tontosa ny alin’ny zoma teo tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny lanonana manetriketrika nampahafantaran’ilay mpanakanto, mpanao poezia,

Poety rebely, ny rakipeony mitondra ny lohateny hoe «Anindaotse». Ahitana tsangan’asa miisa 13 izany ho fanamarihany ihany koa ny 13 taona nilomanosany tao anatin’izay poezia izay, raha ny nambarany. Ny fitiavan-tanindrazana, ny adin’ireo vehivavy izay hitolomany, ny tantarany. Ireo no tena fonosin’ity rakipeo, hoy i Olsenie Rasoanivo na Poety rebely. Ity moa no rakipeo voalohany navoakan’ny mpanakanto, hoy hatrany ny fanazavany. Mivoatra rahateo moa ny tekinolojia ka dia tsy voatery raketina am-boky foana intsony izany izao fa mba atao am-peo ihany koa ny poezia.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT