kolontsaina

Poetic lover tao Antsahamanitra Ambiansy tanteraka


  • Talata 22 Mey 2018

Nahafinaritra ny fiarahana ary tsy ampy ireo mpankafy ireo hira miisa 12 teo ho eo nentin’ireo poeta mihira fitia 4 mirahalahy mikambana ao anatin’ilay tarika mpiangaly RNB sy Soul frantsay, Poetic Lover, tetsy Antsahamanitra ny sabotsy teo.

Tsy nanam-paharoa ny sehon-drizalahy ireto tetsy amin’ny Carlton Anosy ny zoma saingy tsy latsa-danja ihany koa ity tetsy Antsahamanitra ity. Tsy nisy izay tsy nahatsiaro ny fahazazany sy ny fahatanorany ireo mpijery rehefa nanakoako ry “Prenons notre temps” sy “Qu’il en soit ainsi”. Niarahana niangaly nisantarana ny seho moa ny “Fier d’avoir ton love”. Isan’ny nampiavaka ny seho nataon’ireto kintan’ny taona 90 sy 2000 ireto ny fisantarana izany tamina Akapela maromaro kanefa tsy naha monamonaina. Tsy nampoizin’ny rehetra ho vitan-drizalahy toy izany koa aza ilay hira nalaza sy tena be mpiandry “Cette femme”. Mitohy any Mahajanga amin’ity herinandro ity moa ny hetsika ary nanambara ireo mpikarakara fa afa-po hatreto. Ambiansy tanteraka!

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT