kolontsaina

Poetic Lover eto Madagasikara Hitondra seho tsy fanadino


  • Alakamisy 17 Mey 2018

Ny talata 15 mey tamin’ny 10 ora alina teo no nigadona teto Madagasikara ny tarika Poetic Lover avy any Frantsa.

 Omaly alarobia 16 mey kosa izy ireo no nitondra fanazavana tetsy amin’ny Kudeta Anosy mahakasika ny fampisehoana hotanterahiny eto Madagasikara. Ny 18 sy 19 mey ho avy izao no hiaka-tsehatra izy ireo ao amin’ny hotel Carlton Anosy ny zoma hanomboka amin’ny 8 ora alina. Ny sabotsy kosa dia eny  amin’ny sehatra maitson’Antsahamanitra no hifampitaona amin’ny mpankafy azy ny Poetic Lover hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Haharitra 10 andro ny fotoana hijanonan’i Rode (little T), Jay, Dré, Rudy eto Madagasikara ary hanao fampisehoana any Mahajanga izy ireo aorian’izao seho eto Antananarivo izao. Hatao izao hetsika izao satria efa maro loatra ny mpankafy mangataka azy ireo hiaka-tsehatra eto Madagasikara, hoy ny mpikarakara. Taorian’ny dian’izy ireo tatsy Maorisy sy La Réunion dia ny Malagasy indray izany aloha no hianoka anaty fankafizana ny gadona soul sy Rnb hoentin’ny tarika. Mampiavaka ity tarika ity ny voandalana hoentiny amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana izay hanaovany fampisehoana. Nitondra fanampiana ho an’ny sekoly “La Victoire” teny Ambolokandrina izy ireo omaly tolakandro.  Hovetsovetsoina amin’ireo fotoana ireo ny hira nampalaza ny tarika tamin’ny taona 90 tahaka ny “cette femme”, “fier d’avoir ton love”, “prenons notre temps”ary hoezahin’izy ireo ny hamela fahatsiarovana mamy sy tsy hay hadinoina ho an’ny mpijery sy ny mpankafy.


Tsiry

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT