kolontsaina

Pique nique géant - Analamanga Park Nalai-nisaraka ny mpankafy sy ny mpanakanto


  • Talata 30 Mey 2023

Fahombiazana tanteraka no azon’ny orinasa Star tamin’ny fikarakarana ilay hetsika fitsangatsanganana goavambe Pique-nique géant fresh notanterahina teny amin’ny Park Analamanga omaly Alatsinain’ny Pentekosta.

Tonga marobe tokoa mantsy ireo mpankafy ny tarika Ambondrona sy ny tarika Zay izay nanafana ny lanonana izay marihina ihany koa fa afaka nankafy sy nihanoka ny tsiron’ny zava-pisotro fresh amin’ny endriny vaovao maro samihafa. An-jatony ireo mpifankatia, mpinamana, fianakaviana tonga nanohana ny antso teny an-toerana, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-70 taonan’ny orinasa Star rahateo. Naharitra ora efatra teo ho eo ny fampisehoana. Nentin’ireo tarika roa ireo nandravahana izany ireo hira nahafantaran’ny mpankafy azy hatramin’izay ka nanao hira manodidina ny 10 isa mihoatra teo avy ny roa tonta. Ny masoandro nody omaly no nampalahelo teny amin’ny Park Analamanga. Samy nalai-nisaraka ny mpankafy sy ny mpanankato. Hetahetan’ny roa tonta araka izany ny mbola hisian’ny fihaonana mafotaka tahaka ireny omaly ireny, indrindra fa ho an’ireo mpankafy ny tarika Ambondrona izay tonga hatrany na dia any amin’ny faritany aza.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT