kolontsaina

Pika sary ho an’ny gazety Raikitra ny fampirantiana mandritry ny iray volana


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Fanaovan-gazety feno ny fakana sary ho an’ny gazety na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “PhotoJournalisme” saingy mbola vitsy mpahalala,

hoy ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina nandritry ny fanokafana ny volan’izany tetsy Ambohidahy omaly. Ny Mpanao gazety mpaka sary anefa no isan’ireo tena misedra ny mafy rehefa eny an-kianja. Hanasongadinana ireo mpanao gazety mpaka sary sy ny asa ataony isan’andro hiantohana ny zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao, dia nanokana ny volana novambra ho iray volan’ny pika sary an-gazety ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina. Hifarana ny 15 desambra 2022 moa izany volana natokana ho azy ireo izany. Harantin’ireo mpanao gazety mpaka sary miisa 13, mpikambana ao amin’ny “Collectif des reporters d’images de Madagascar” na CRIMAD, mandritra izany iray volana izany, etsy amin’ny Trano Sary etsy Ambohidahy ny santionany amin’ireo fanadihadiana an-tsary nataon’izy ireo ho an’ireo orinasa fanaovan-gazety iasan’izy ireo tsirairay, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT