kolontsaina

Parasy Gasy


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2017

Voalavo be, mpitondra aretina Parasy kely fa tena misy entina. Fako aman-taonina toa tranon'ny pesta, Gasikara manontolo no tsy afa mihetsika.


 Ny ankizy mpianatra ho lasa donendrina

Tsy afa mandalina fa matahotra aretina.

Ny ekolazy ve nefa tsy maintsy efaina ?

Na dia efa iray volana aza no niala maina.

 

Governemanta ovaina matetika

Izany tokoa ve no tena tetika ?

Minisitra aza tampoka eo lasa loholona

Tena izany ve ilay vahaolana ?

 

Miandry fa gasy, hoy ilay fiteny mahazatra

Dia izay ve izany no anjara sy lahatra ?

Nareo anie ry Jean ka mbola Malagasy.

Tadidio fa na mafy na osa samy lanin'ny parasy.

 

 

Marco Zafi

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT