kolontsaina

Orinasa Startimes Hamalifaly ny fianakaviana Malagasy mandritra ny fety


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Iray volana latsaka sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona isika.

Samy manana ny fomba entina hanamarihana izany ny tsirairay amin’ny ankapobeny. Ho an’ny orinasa Startimes manokana dia amin’ny alalan’ny fanatsarana ireo karazana tolotra misy ao aminy no entiny hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa rehetra, indrindra ireo karazana fanomezana  maro samihafa. Anisan’ireny ireo fahitalavitra “écran plat” tsy mila “décodeur” intsony hahafahan’ny rehetra misitraka sahady ny nomerika sy ny TNT. Hampiavaka ny fandaharana vokarin’izy ireo, araka ny tafa nifanaovana tamin-dRalay Aina, tompon’andraikitra misahana ny ara-barotra eo anivon’ity orinasa iray ity tamin’ny mpanao gazety omaly  ny fisian’ireo tolotra tsy fahita hatramin’izay, toy ny chaîne natokana ho an’ny ankizy (Baby TV), hahafahana mampianatra azy ireny ny teny Frantsay sy ny teny Anglisy, ny chaîne Novelas miisa fito ary koa ny coupe du Monde hotanterahina any Rosia amin’ny taona 2018. Tsy latsa-danja amin’ireo ilay hetsika karakarain’izy ireo antsoina hoe : “Jery Startimes”, entina hanampiana ireo olona tsy mpanjifany hisitraka ny fandaharana vokariny, amin’ny alalan’ny “écran géant”. Entina hitety ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra izany, araka ny fanazavan-dRamaroson Iarilanto, tompon’andraikitry ny fifandraisana eo anivon’ny orinasa. Hahazo ny anjarany tsy ho ela  ihany koa ny any amin’ny faritra. Anjaran’ireo mponina eny Ampefiloha indray moa no hahazo tombontsoa amin’io herinandro ho avy io, raha teny Analamahitsy no nisantarana azy. Tsiahivina fa 0 Ar ny décodeur amin’izao ao amin’ny Startimes, 0 Ar ihany koa ny Kits sy ny fametahana izany any an-tokantrano.

Pati

Legende : Aina Ralay, tompon’andraikitra misahana ny ara-barotra eo anivon’ny orinasa Startimes miaraka amin’ireo écran plat tsy mila décodeur intsony

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT