kolontsaina

Orinasa FITRAMA Nahazo lampika fanodinana « huille essentielle »


  • Talata 15 Jona 2021

Nahazo lampika na ilay fitaovana lehibe fanodinana ny « huille essentielle » na lohamenaka hanjary ho fanafody azo

 

 

hampiasaina hanasitranana aretina maro ny orinasa mpitsabo Malagasy FITRAMA. Mahazaka 1000 litatra ka hatramin’ny 1500 litatra ny lohamenaka zakany amin’izany raha anisan’ny tanjona kosa ny hahafahana mampihena ny saran’ny fanaovana fitsaboana maharitra tanterahin’ny marary na traitement. Omaly no nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny mpanao gazety ny fisian’io fitaovana io, notarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany tamin’izany fa miroso hatrany amin’ny fampanaraham-penitra ny asa fitsaboana tanterahiny ny orinasa ankehitriny ho fanampiana ny mpiara-belona. Ankoatra izay dia miomana fatratra amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona izy ireo. 24 ora nanomboka omaly no nomeny ireo mponina ao amin’ny tanana vaovao ao Soaniedanana PK 67 mba hananganan-tsaina ho mariky ny fiandrianam-pirenena. Tsy misy mahazo milalao na mampiasa arendrina Sinoa ihany koa ireo ankizy ao an-toerana fa arendrina gazy avokoa. Hiragasy goavana hiarahana amin-dRamilison Besigara sy Rakotomavoson no entin’izy ireo hanamarihana ny fetim-pirenena any an-toerana ankoatra ny lalao baolina kitra goavana iadiana ny amboaran’ny 26 jona. Marihina moa fa miroso hatrany amin’ny fanampiana ireo olona tsy an’ asa sy sahirana eto amin’ny firenena ny FITRAMA ankehitriny amin’ny alalan’ilay tetikasa fifindra-monina. Efa marobe ireo asa miandry azy ireny any an-toerana toy ny famakiam-bato ao amin’ny kariera.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT