Hanolotra amboarankira ny Chorale Orimbato avy ao amin’ny FJKM Tranovato
Ambatonakanga ny alahady ho avy izao ao amin’ny FJKM Manazary Anjomara (15km Andriampamaky) ho fanampiana izany Fiangonana izany. Nohitarina ny trano fiangonana ka ny Sampana Sekoly Alahady , tompon-kevitra amin’izao Amboarankira izao, no miantoka ny famitana ny vavarankely sy ny varavarana rehetra araka ny voalazan’i Tanjona Randriamihantasoa Filohan’ity Sampana ity. Hira miisa 14 eo no hotanterahina ka hiainana indray ireo sanganasan’ireo mpamoronkira Malagasy tsy zoviana amintsika toa an’i Ndriana Ramamonjy, Parfait Lalanirina, Rija Rasolondraibe. Tsy adino koa ireo hiram-pivavahana hiraina maneran-tany: Fa lehibe (How great Thou art - Carl Boberg), Omeo fo mino (Offertoire - GF Haendel) Mozika iraisantsika (Musique Universelle - Rodolphe Pierrepont). Araka izany, karazankira samihafa no hoventesin’ny Orimbato hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ; hira ara-pilazantsara sy hira litorjika. Manasa am-pitiavana ireo mponina manodidina izany toerana izany noho ny zava-dehibe atrehin’ny Fiangonana ny Chorale Orimbato.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.