ONG TSARAMANASOA ITAOSY

Tafakatra 230 ireo zaza sahirana ahiany, tsy ampy ny dabilio


  • Alarobia 20 Novambra 2024

Tafakatra 230 isa ireo zaza sahirana ahian’ny ONG Tsaramanasoa eny Ambavahaditokana Itaosy

amin’izao fotoana izao. Hampianarina maimaim-poana izy ireo no sady omena sakafo atoandro, zanak’ireo olona nisara-panambadiana, kamboty, sahirana tsy misy mpiahy eny anivon’ny fiaraha-monina. Tafiditra ao anatin’ny politika fanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara izao ezaka hataon’ny ONG Tsaramanasoa izao raha araka ny fanazavan’ny Filoha mpitantana azy Ranaivoson Patrice. Ireo ankizy eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra toy ny garabola ka hatramin’ny taona fahadimy moa no tena voakasik’izany. Efa tohanam-potsiny ireo ankizy maniry ny horaisina an-tanana ao amin’ity ONG ity araka izany saingy tsy ampy ny dabilio. Hetahetan-dRanaivoson Patrice ny hanampian’ny malala-tanana azy ireo hahafahana mandray an-tanana ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly eny anivon’ny fiaraha-monina. Ankoatra izay dia tsy tambo isaina ihany koa ireo zaza tsy ampy taona efa nomen’ity ONG Tsaramanasoa ity kopia mari-pahaterahana tao Ambavahaditokana Itaosy. Niarahana tamin’ny Ben’ny tanana Jean Louis izany izay marihina fa mbola kandida hatolotry ny tsy miankina ao anatin’ity kaominina iray ity ihany.
Pati
Legende : Mbola betsaka ireo ankizy sy olon-dehibe tsy manana kopia mari-pahaterahana hanaovana hetsika tahaka izao eto amintsika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT