kolontsaina

Olona sitrana tao amin’ny FITRAMA Nankasitraka an’i Jean Nirina R


  • Talata 13 Oktobra 2020

Sitrana avokoa ny ankamaroan’ireo marary nandalo sy nitsabo tena tao amin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FI.TRA.MA raha araka ny fanazavan-dRafanomezantsoa Jean Nirina omaly, tale jeneralin’ny orinasa.

 

 

Tera-tany Malagasy iray monina any ivelany tratry ny aretina diabeta, voan’ny coronavirus no sady niakatra tosi-dra tonga nitsabo tena teto Madagasikara ary nahazo fahasoavana tamin’ny orinasa no tonga nanolotra fanomezana ho azy omaly maraina. Nisy havan’io olona io voan’ny coronavirus ihany koa tany La Frantsa raha araka ny fantatra mbola notsaboin’ny FI.TRA.MA tamin’ny alalan’ny elanelan-tany ary dia sitrana soamantsara ihany koa. Nanova ny fomba fijerin’ny mpiara-belona ny fitsaboana Malagasy ireny rehetra ireny hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, indrindra taorian’ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Na izany aza anefa hoy izy dia misy zavatra tokony hahitsy. Tokony alana ihany koa hoy izy ireo karazana sakana tsy hahafahana manandratra sy mampahafantatra ny vita Malagasy amin’ny alalan’ny serasera. Tsiahivina moa fa ankoatra ireo faritra marobe izay efa ahitana ny orinasa Mpitsabo Malagasy FI.TRA.MA dia hahazo tombontsoa manokana amin’izany ihany koa ny any amin’ny distrikan’i Sambava, Antsohihy, Mananjary, Manakara…Tantara iray tsy azo kosehina eto amin’ny firenena ny fanomezan-danja ny vita Malagasy sy ny famerenana izany ao am-pon’ny mpiray Tanindrazana hoy hatrany Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT